Jly Ravelonarivo Angelo: «Ho afa-baraka isika raha misy korontana»

Nanamafy ireo fanambarana tato ho ato. Nam­baran’ny Prefet de police, ny Jly Ravelonarivo Angelo, omaly, fa efa vonona ny eo anivon’ny mpitandro filaminana, amin’ny alalan’ny OMC, ahitana ny Emmo/Reg. “Ho­raisina ny andraikitra sy ny fepetra hentitra amin’ny mety ho fanakorontanana mialoha sy mandritra ary aorian’ ny fitsidihan’ny filoha frantsay, Emmanuel Macron, sy ny fi­haonana an-tampon’ny COI”, hoy izy. Natsidiny sahady koa fa miketrika ary mikasa ny hitondra sorabaventy ny mpanohitra, amin’izao hahatongavan’ny delegasionina vahiny eto amintsika izao. Nahitsy ny fanehoan-keviny manoloana izany. “Ny firenena iray manontolo mihitsy no ho afa-baraka raha miseho ny korontana”, hoy izy.
Tsiahivina fa efa naneho hevitra tsy mifanalavitra amin’izao koa ny eo anivon’ny fitondram-panjakana, tamin’ny alalan’ny mpitondra tenin’ny governemanta, ny minisitra Mara Volamiranty Donna. Nampitandrina ireo mikasa hanakorontana ny tenany. “Mijoro sy handray andraikitra izahay raha misy mieritreritra hamboly korontana amin’ny fitiavan-tena sy ny kajikajy politikany manokana”, hoy izy.

Tsiahivina fa efa mipetrapetraka avokoa ireo lamina sy paikady eo amin’ny fitandroana ny filaminana amin’izao handraisana ny filoha frantsay sy ny fivorian’ny COI izao. Hiara-kiasa amin’ireo mpitandro filaminana vahiny, efa ho tonga mialoha koa, ny eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika amin’ny lafiny fiarovana ireo olona ambony.

Synèse R.

Partager sur: