Lehilahy mpanamboatra basy vita malagasy maty voatifitra ary olona telo voasambotra ka notanana am-ponja ao Faranfangana, ny alarobia 16 avrily teo. Nahazoan’ny zandary alalana ho savaina fa nampiahiahy ny tranon’io raim-pianakaviana io, tao Lokandambo, kaominina Anosivelo, ny 11 avrily lasa teo. Trano roa voasava tamin’io fotoana io ka nahatrarana fitaovam-piadiana vita gasy roa niampy bala 14. Fitaovana maro samihafa fanamboarana basy hita tao amin’ireo trano ireo. Natao ny famotorana ilay lehilahy. Basy miisa 5 tamin’ireo namboariny no efa lafo. Roa taona teo ho eo izy no nanamboatra io fitaovam-piadiana io. Nitoroka ny olona namarotany ny basy io lehilahy io kinanjo notifiriny tampoka ny zandary nanaraka azy. Vokany, maty voatifitra io mpanao basy io. Olona telo hafa voasambotra ary mbola nahatrarana fitaovam-piadiana. Nentina natao famotorana ary natolotra ny fampanoavana izy ireo ka ombiasy ny iray. Notanana vonjimaika any am-ponja ireto farany.
Tsiferana R.