Lavon’ny balan’ny mpitandro filaminana ny mpaka an-keriny roa lahy tao Ambohitranivo, kaominina Manakana Vohimbohitra, distrikan’i Tsaratanàna, ny 15 avrily teo. Naka takalonaina saingy tsy nahatontosa izany, tao amin’ny fokontany Ambohitrarivo, kaominina Brieville, ireo olon-dratsy ireo, ny 6 avrily. Namono olona tamin’ny fanafihana tao amin’ny fokontany Mandribe, ny 11 febroary lasa teo ihany koa. Maty voatifitra, nandritra izany, ny raim-pianakaviana iray 52 taona. Tompon’antoka ihany koa, tamin’ny fangalana olona roa natao takalonaina tao amin’ny tanànan’i Marosakana, anatin’ny kaominina, ireo dahalo ireo. Renim-pianakaviana sy ny zanany lahy 20 taona no lasan’ireo tsy valahara tamin’io fotoana io. Nanao fikarohana ny ekipan’ny zandary eo anivon’ny Vondron-tobim-paritra Andriamena sy ny tobim-paritra Brieville. Nahazo loharanom-baovao tamin’ny tsara sitrapo ny zandary. Nialokaloka tao amin’ny fokontany Ambohitranivo ny iray. Nosamborina izy ary nitoroka ny namany iray hafa izay tao amin’ny fokontany Ambaibohokely. Niaiky heloka, nanaiky hitondra ny zandary hitoroka ny toerana misy ireo namany izy roa lahy. Nandositra tampoka ireto farany ka maty voatifitra.
Tsiferana R.