Nihaona tamin’ny mpanao gazety ny ben’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra, Ramanantsoa Harilala, sy ireo mpiara-miasa aminy. Anisan’ny navoitrany tamin’izany ireo asa sy hetsika tanterahin’ny CUA, amin’izao fotoana izao.
Nambarany tamin’izany ary mbola nampahatsiahiviny ny lalàna sy fitsipika efa misy sy mifehy ny eto amin’ny tanànan’ Antananarivo Renivohitra. ” Efa mipetraka izany ka tsy maintsy hampiharina hatrany sy mitohy”, hoy izy.
Ankoatra izany, notsindriny fa efa asa tanterahin’ny CUA ny fanadiovana sy ny fanatsarana ny tanàna. Eo koa anefa ny handraisantsika ireo vahiny hiatrika ny fihaonana an-tampony fahadimy eo anivon’ny COI, hatao eto Antananarivo, ka miara-miasa sy mifanohana amin’ny minisitera rehetra, ny faritra Analamanga, ny fiadidiana ny Tanàna amin’izany. “Ny fitondram-panjakana amin’ny ankapobeny ka isaorana azy ireo izany”, hoy ihany izy. Manoloana izany, nentaniny ny mponina mba hahay hisitraka ireny fanatsarana sy fanavaozana fotodrafitrasa ireny. Mba hahay manaja sy mikojakoja ny asa vita, araka ny nambarany hatrany. Nanteriny rahateo fa mbola hitohy izany. “Santatra am-bavarano izao asa natomboka eo Analakely sy ireo sampanan-dalana maro ireo izao. Mbola hahazo sy hisitraka ny anjarany avokoa ireo boriborintany enina eto Antananarivo Renivohitra”, hoy izy.
Fepetra manokana horaisina
Etsy andaniny, natsidiny fa tsy hihidy akory ny fifamoivoizana eto Antananarivo Renivohitra mandritra ny roa andro, amin’ny fahatongavan’ireo vahiny sy mandritra ny fihaonana an-tampony COI. “Hisy fepetra manokana amin’ ny ampahany ihany horaisina saingy ao anaty fotoana voafetra izany, amin’ny lalana lalovan’ireo vahiny manan-kaja ireo”, hoy izy.
Tsiahivina fa samy nitatitra ny asa fanatsarana sy fanavaozana amin’izao hiatrehana ny fivoriana iraisam-pirenena izao ireo sampandraharaha rehetra eo anivon’ny CUA.
Synèse R.