Taranja tolona- “Africa 2025”: Mbola ankamatatra ny fandehanan’ ireo atleta

Hotanterahina any Casablanca Maroc, ny 29 hatramin’ny 4 mey ho avy izao, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Africa, taranja tolona. Tsy voafaritra ny daty handehanan’ireo Malagasy handray anjara.

Nilaza ny filohan’ny Fe­derasionina malagasin’ny taranja tolona (FML), Raveloson Mamitiana, omaly, fa mbola ankamatatra ny fandehanan’ireo atleta malagasy any Casablanca Maroc. Tsiahivina fa hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afri­ka, any an-toerana, i Mada­gasikara. Nilaza ny lehiben’ity taranja ity fa tsy mbola tonga any amin’izy ireo ny fanampiana ataon’ny fanjakana, hatramin’ny omaly, ary miandry izany izy ireo hatramin’izao.
“Raha ny fandaminana efa napetraka, tokony ny 20 avrily ho avy izao ny delegasionina malagasy no tonga any Maroc, hamonjy ny Camp d’entrainement. Tsy mbola misy anefa ny resaka mahakasika ny fanampiana ataon’ny fanjakana”, hoy ity mpitantana ny tolona malagasy ity. Nambaran-dRaveloson Mamitiana ihany fa raha tsy mamonjy ilay “Camp d’entrainement” ny Malagasy dia to­kony ho ny 25 avrily eo izy ireo no handeha any Maroc, raha tiana ny hiatrika ilay fifanintsanana. Raha ny fanazavana nataony, ny 27 avrily ny fivoriana ara-teknika. “Manao antso amin’ny fanjakana izahay mba hijery akaiky ity toe-draharaha ity, tombony ho an’ny Malagasy mpilalao ny fanatrehana ny fifanintsanana tahaka izao”, hoy ny filohan’ny FML, manoloana ny zava-misy. Nomarihiny hatrany fa manana fikasana handefa atleta fito izy ireo.
Tsara ny mampahatsiahy fa efa nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra, ny 2 avrily lasa teo, ny hanohanana ara-bola ny fandraisan’ireo atleta anjara amin’ity fifanintsanana any Casablanca Maroc ity.

F.R

Partager sur: