Nitranga ny tsy nampoizina ary diso avokoa ny kajikajin’ireo mpanara-baovao amin’ny “Ligue des champions d’Europe”, taranja baolina kitra. Nihintsana teo amin’ny dingana ampahefa-dalana mantsy ireo klioba lehibe heverina ho manana herijika handrombaka ny amboara dia ny Real Madrid sy ny Bayern de Munich. Ny alarobia lasa teo, nandritra ny lalao miverina, tsy mbola afa-bela tamin’ny Arsenal indray ny Real Madrid. Mbola resin’ny ekipa anglisy tamin’ny isa 2 no ho 1 indray ary lavo tao an-jaridaina filalaovany, tao Bernabeu, izy ireo. Nahatafiditra ny baolina voalohany ny Arsenal tamin’ny alalan’i Saka, teo amin’ny minitra faha-65. Tsy ela akory ny valin-kafatra fa 2 mn taorian’izay, nosahalain’i Vinicius Jr ho 1 sy 1. Tany amin’ny fanampim-potoana 90 + 3 mn no tafaporitsaka i Martinelli, ary nampiditra ny baolina faharoa ka nahalavo tanteraka ny Real Madrid. Tsiahivina fa efa resin’ny Arsenal, 3 no ho 0 ny Real nandritra ny lalao mandroso, herinandro lasa izay.
Tsy mbola afa-bela ihany koa ny Bayern de Munich, izay nianjera tao amin’ny kianjany. Nisaraka ady sahala 2 no ho 2 nanoloana ny Inter de Milan. Efa lavon’ny Milanais, tamin’ny isa 2 no ho 1 teo amin’ny fihaonana voalohany. Hidona eo amin’ny manasa-dalana, ny 29 avrily izao, ny Arsenal sy ny Paris St Germain ary ny 30 avrily, hikatroka ny FC Barcelone sy ny Inter de Milan.
Tompondaka