« Power of Metal »: Seho miaraka amin’ny tarika Alkiniah sy ny tarika Mania

Tarika roa anisan’ny sangany eo amin’ny fiangaliana ny mozika mavesatra no ho tafaraka. Tarika Mania sy ny tarika Alkhiniah, hanatanteraka ilay seho goavana « Power of Metal ».

Raikitra ! Hotanterahina etsy amin’ny Cercle Fran­co-Malagasy (CFM) Anosy, ny sabotsy 19 avrily izao, manomboka amin’ny 2 ora tolakandro ka hatramin’ny 10 ora alina ny « Power of Metal ». Fampisehoana goavana hiarahana amin’ny tarika Alkiniah sy ny tarika Mania. Anisan’ny zava-baovao ho hita eny an-toerana ny fanentanana maro samihafa. Eo ihany koa ny fisian’ireo tranoheva isan-karazany. Samy eo an-tokotanin’ny Cercle Franco-Malagasy avokoa no hahitana ireo.
Amin’ny 2 ora tolakandro, efa afaka miditra ny rehetra. Amin’ny 4 ora tolakandro ka hatramin’ny 6 ora hariva, fizarana voalohany amin’ny fampisehoana. Amin’ny 6 ora hariva ka hatramin’ny 7 ora hariva, miala sasatra. Amin’ny 7 ora hariva ka hatramin’ny 9 ora alina, fizarana faharoa amin’ny seho eny an-tsehatra. Amin’ny 10 ora alina, famaranana ny hetsika « Power of Metal » amin’ny alalan’ny famonoana afo.

Samy naneho ny fahavononany

« Vonona izahay! Ianareo efa maika hanala azy be. Power of metal, groove be, misy slow hakana aina kely dia groove be indray. Indroa miditra avy ny tarika amin’io. Noho izany, tsy hisy atahorana hoe tsy ho tratra. Mankasitraka sahady amin’ny fahatongavanareo. Ento daholo ny akama sy ny ankohonanao », hoy ny tarika Mania, raha namintina ny fahavononan-dry zareo ao anaty pejy Facebook Mania ofisialy. Naneho izay fahavononana izay ihany koa ny tarika Alkiniah, tamin’ny alalan’i Karen. Fantatra fa efa tonga eto an-tanindrazana ity mpihiran’ny tarika manana feo kanto sy matanjaka takian’ny mozika metaly ity. Raha tsiahivina, ny tarika Alkiniah no nibata ny amboara tamin’ny fifaninanana nampanaovin’ny RDJ farany teo.
Marihina fa tarika anisan’ny manana traikefa matanjaka eo amin’ny mozika mavesatra izy ireto. Samy manana ny hira nahafantarana azy ihany koa ary samy hitondra izany eny an-tsehatra miaraka amin’ireo sanganasa vaovao.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: