Araka ny vaovao voaray halina, nodimandry i Doda ao amin’ny tarika Ny Voamaintilany. Anisan’ny nahafantarana azy ny fihirana ny kalon’ny fahiny sy ny hiran’ny omaly. Anisan’ny mpikambana tao amin’ny tarika Noelson Lalao (rainy niteraka azy) i Doda. Saika nametrahany ny feony avokoa ny antanantohatry ny feo nilaina tamin’izany. Taty aoriana, izy sy i Lanto (anabaviny efa nodimandry) no namelona indray ny hiran’ny tarika Noelson Lalao.
Na teo aza ny tsy fahasalamany, nitohy hatrany ny fandraisany anjara tamin’ny seho sehatra nataon’ny tarika Ny Voamaintilany. Marihina fa ny mpianatra taloha tao amin’ny Lycée Andohalo no nanorina ity tarika ity.
Mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviana sy ny tontolon’ny zavakanto malagasy ny Gazety Taratra.
HaRy Razafindrakoto