Anisan’ny mpisehatra amin’ny asa fakana sary sy fanaovana sary hosodoko ny raim-pianakaviana iray antsoina hoe: i Sadaka, manambady sy manan-janaka dimy. Mivelona amin’ny fanaovana fakana sary fotsiny izy, nandritra ny 32 taona. Nanomboka nisehatra teo amin’io asa io izy, ny 23 desambra 1993. “Niainga tamin’ny fanaovana sary tamin’ny pensily hazo izy tamin’izany ary nandoko izany tamin’ny alalan’ny pensily hazo miloko”, hoy izy nitantara. Hitako fa tsara ny zava-bitako tamin’izany ary niezahiko notohizana sy nohatsaraina hatrany. “Amin’izao fotoana izao, afaka manao fampisehoana ireo sary rehetra efa vitako hatramin’izay aho”, hoy izy. Anisan’ny fotoana nampisehoany izany ny fandraisany anjara tamin’ny Tsenabe notanterahina tao amin’ny Lycée teknika, ny taona 1985. Nahazoako mari-pankasitrahana tamin’ny mpikarakara ny hetsika ihany koa ny fahavitako sarina vehivavy iray, teny an-toerana, raha ny filazany hatrany.
Noho ny fitiavana ny kanto ara-tsary ny antony nanaovany ny asa. Nambarany fa tsy nividy fankan-tsary fa mbola ireny ampesana “pellicule” ireny no nampiasaina tamin’
izany. Mba nirosoana amin’ny fankan-tsary fahatsiarovana sy hanomanana ny sary ho kanton’ny tanàna na “photo d’archive”. Eo koa ny hampisehoana ny sary an-tantara arakaraka ny zava-misy. “Mila fehezina ny asa fakana sary ary inoana fa mahavelona ny ankohonana tsara na be na kely ny vola miditra”, hoy izy. Ilaina ny finiavana sy ny fitiavana ny asa sary mba hahavitana azy tsara. Ny sary dia zavatra mitoetra sy kanto. Mpitahiry ny vakoka, na tantaram-pirenena na ny faritra iray, eto amin’ny firenena, noho izany, ny mpaka sary.
Tsy matahotra fivoaran’ny teknolojia
Mivoatra tokoa ny teknolojia ampiasain’ny rehetra amin’ny fakana sary, toy ny finday avo lenta. Ho azy manokana, efa miroso amin’ny sary apetaka amin’ny akanjo sy lambahoany izy. Maro ny tolotra azony amin’izany. Miroso amin’ny famadihana ny sary ho solaitra ihany koa ny tenany ary saika ireo orinasa lehibe na fikambanana no mpanjifa ny asa tanany. “Tsy hatahoranay ny sary amin’ny finday avo lenta ary betsaka ny milaza fa hafa ihany ny sary avoakan’ny fakana sary matihanina raha mitaha amin’izy ireny”, hoy hatrany izy. Nohamafisiny fa raha misy olona hanambady ka tsy mampiasa sary amin’ny finday dia omeny tolotra fakana sary matihanina. Tsy mora ny fifaninana fa ilaina ny fanajana ny asa efa nahazatra sy nivelomana. Nambarany fa fialamboly ny sary fa saingy fialamboly mahavelona sy natao hivelomana. Efa nitety an’ i Madagasikara tamin’ny fakana sary ny tenany.
Mandraoka vola rehefa lanonana
«Anisan’ny fahatsiarovana tsara tamin’ny asa fakana sary ny fanolorana mari-pankasitrahana ahy», hoy i Sadaka nitantara. Teo koa ny fivarotana asa tanana vita amin’ny sary miisa 1 900 tamin’ny taona 2017. Nahazoana volabe izany ary zava-dehibe ho an’i Madagasikara satria misy fiantraikany amin’ny fizahantany eto amin’ny Nosy. Mandraoka vola sy ilaharana mihitsy ireny mpaka sary ireny rehefa manatona ny toerana misy lanonana. Anisan’ny hitiavan’ny olona azy ireny ny mahavita ny sary eo no ho eo.
Amin’ny ankapobeny, noho ny haavolentan’ny teknolojia ankehitriny dia efa mampiasa fitaovana fanasana sary manatona mpanjifa ny mpaka sary. Tanjona ny mba hanamora ny fidiram-bola sy hahazoan’ny mpanjifa ny takelaka sary eo no ho eo. Efa miova ihany koa ny fomba fakana sary amin’izao. Efa tsy misy mampiasa matetika intsony ny sary 10×15 (kely) fa efa miakatra hatramin’ny sary A4 ary fonosina plastika mihitsy.
Nohamafisin’ity mpaka sary ity fa ny vehivavy sy ny ankizy no tia maka sary bebe kokoa raha oharina amin’ny lehilahy. Ho an’ i Toamasina manokana, misy fikambanan’ny mpaka sary matihanina. Hita manoloana ny Lapan’ny tanàna sy ny eny amoron-dranomasina misy ny Miami izy ireo rehefa tsy misy kaomandy any amin’ny lanonana. Nohamafisiny hatrany fa asa mahavelona tsara ny fakana sary fa mila finiavana sy fanajana azy.
Nanatontosa : Sajo