Maty teo am-pitrandrahana volamena, tototry ny tany, ny dimy tamin’ireo fito mianadahy niharan-doza tao Mananjary, ny alakamisy 17 avrily teo.
Mpihady volamena dimy mianadahy niara-namoy ny ainy nianjeran’ny ranontany tao amin’ny fokontany Ambalakazaha, kaominina Vohilava, distrikan’i Mananjary, afakomaly alina tamin’ny 11 ora. Efa nisehatra an-taonany maro ireo mpitrandraka volamana ireo. Nandavaka lalina, mampiakatra ny tany ary manivana izany izy fito mianadahy sy ny namany. Naharay antso tampoka tamin’ny fokonolona ny zandarimaria miasa ao amin’ny vondron-tobim-paritra Mananjary momba ny fisiana fihotsahana tampoka tao amin’io toeram-pitrandrahana ao Ambalakazaha io. Olona miisa fito no voalaza niharan-doza. Nifanampy tamin’ny famonjena ireo lasibatra ny fokonolona manodidina. Samy nanao izay ho afany nanala ny tany nanototra ireo olona voakasika. Vokany, tafavoaka an-tanety ireo fito mianadahy. Tsy tana anefa ny ain’ny dimy tamin’ireo fito lasibatra.
Zaza tsy ampy taona
Ankizivavy vao 15 taona iray, monina ao anatin’ny kaominina Vohilava. Anisan’ireo, mpanampy ny vatan-dehilahy mitrandraka koa izy, araka ny loharanom-baovao. Nanao sarotra ny famonjena azy vokatry ny habetsahan’ny tany nanototra ny vatany. Nitarika ny famoizany aina izany. Ankoatra azy, samy avy ao an-tanàna koa ireo telo lahy hafa, raha toa ka mpiavy ny faninefany. “Nanara-bady tao amin’ny distrikan’i Mananjary io lehilahy io ka tsy mbola nahazoana vaovao ny tena mombamomba azy marina”, hoy ny fanazavana voaray avy amin’ny mpitandro filaminana. Natolotra ny fianakaviany avokoa ireo namoy ny ainy taorian’ny fizahan’ny mpitsabo. Tsiahivina, matetika hitrangana fihotsahana lavaka fitrandrahana volamena eto Madagasikara. Na eo aza ny fitandremana ataon’ireo mpitrandraka, manao sarotra ny fisorohana ny loza.
Tsiferana R.