Nitrangana lozam-pifamoivoizana nahatsiravina teny amin’ny lalam-pirenena faharoa, Tanandava Toamasina, omaly tamin’ny 3 ora. Fiara sprinter iray, mpitatitra olona avy any Brickaville hihazo an’i Toamasina, no nodomina kamiao lehibe iray. Vokany, vehivavy iray, mpandeha tao anatiny, no maty tsy tra-drano. Tsy mbola fantatra mazava kosa ny isan’ireo naratra. Anisan’ny naratra mafy, nandritra izany, ny mpamilin’ilay fiara lasibatra. Efa nentina notsaboina any anivon’ny hopitaly avokoa ireo naratra. Efa nisy kosa ny nalefa nody rehefa nahazo ny fitsaboana sahaza azy. Olona handeha hamonjy fianakaviana any Toamasina, hanao fety fankalazana ny Paka ny ankamaroan’ireo mpandeha. Kanjo izao tra-doza tampoka teny an-dalana izao.
Kamiao nanao andrana
Avy any Toamasina ity fiara lehibe ity, vao namboarina ary nanao andrana, kanjo izao nanao lozam-pifamoivoizana izao, raha ny loharanom-baovao voaray avy amin’ny zandary. Nandeha mafy ary nisongona moto iray teo alohany izy. Nisy lavaka anefa teo amin’ny lalany ary niala izany ny mpamily ka nifatratra tany amin’ity fiara sprinter izay nifanenana taminy ity. Voadoana mafy ary nipitika mihitsy ilay fiara voadoana nandritra izany. Efa notanana sy anaovana fanadihadiana eny anivon’ny zandarimariam-pirenena kosa ny mpamilin’ilay fiara lehibe izay nahatonga ny loza.
Mino