Noraisin’ny filoha tale jeneralin’ny orinasa Tozzi, Andrea Tozzi, ny filohan’ny Antenimierandoholona, Ravalomanana Richard, tamin’ny fivahinianany any Italia. Misehatra amin’ny angovo azo havaozina hatramin’ny taona maro eto Madagasikara izy ireo. Nialoha izany, nihaona tamin’ny ben’ny Tanànan’i Ravenne koa ny tenany.
Tombony lehibe ho an’i Madagasikara ny fandraisana ny COI, raha ny nambaran’ny depiote, Haingo Nambinina. “Fotoana iray miavaka io ka rariny sy hitsiny raha miezaka isika manao ny hahamendrika ny tanàna ary manaingo azy. Miranty eny avokoa ny sainam-pirenena sy ny sary famantarana ary ny sarin’ireo filoha ao amin’ny COI”, hoy izy.
Hentitra ny sekretera jeneralin’ny Tim, Randriamasinoro Ny Riana, omaly, nilaza fa tsy tokony ho resaka ambony latabatra ny fivorian’ny COI. “Anisan’ny lahadinika ny tsy fanjarian-tsakafo sy ny tsy fandriampahalemana. Efa iainanan’ny vahoaka isan’andro izany ka tokony hojerena manokana”, hoy izy.
Nambaran’ireo depiote Firaisankina fa fanjakana tsy misy demokrasia ny eto. “Aoka ho fantatry ny vahiny izany”, hoy ny depiote, Rabenirina Jean Jacques, omaly, tetsy Bel Air. Nohitsiny fa maro ireo mpanao politika sy mpanao gazety any am-ponja noho ny hevitra politika. “Eo koa ny tsy fanarahan-dalàna ataon’ny mpitondra”, hoy izy.