«Faly aho milaza amintsika fa nivoaka ilay boky vaovao «Where the light lives»», hoy i Pierrot Men. Raha saripika miloko no nahafantarana ity kalaza amin’ny fakana sary ity. Somary hiova kely izany satria hiloko tanteraka ny boky. Hitondra ireo lokon’i Madagasikara nanomboka ny taona 2014, raha ny fanazavana nomeny. Ao anatin’ity boky ity no ahatsapana fa mipoitra avy amin’ny saripika tsirairay ny hazavana ka zary miampita any amin’ny hafa.
Nambarany fa : «tsy tongatonga ho azy ny hazavana… Misy zava-miaina ao matoa mipoitra io hazavana io. Monina ao anatin’ny toerana, vatana, fihetsika izy ireny. Mifoha, miaro, maneho ireo ambaratongam-pisiana eo amin’ny fiainana andavanandro».
Tranga maro no efa nahitany izany. Ao ny faran’izay tsotra. Misy ny mandalo fotsiny ihany. Samy tafatoetra avokoa anefa izy ireny. Raha atao indray mijery, tahaka ny boky rehetra mirakitra sary ny «Where the light lives».
HaRy Razafindrakoto