Hiditra amin’ny lalao famaranana sahady ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja volley-ball, sokajy latsaky ny 14 taona sy 18 taona, lahy sy vavy. Fifaninanana hotanterahina etsy amin’ny Kianja mitafon’Ankorondrano, anio sabotsy 19 avrily. Ho an’ny sokajy vehivavy, latsaky ny 18 taona, hifanandrina amin’ny famaranana ny GNVB sy ny MVBC, raha toa ka ny ekipan’ny ASI sy ny GNVB kosa no hifanandrina eo amin’ny sokajy U18, lahy. Nanao pao-droa, araka izany, ny ekipan’ny zandarimariam-pirenena, nandritra ny lalao manasa-dalana, omaly, teny amin’ny Kianja mitafon’Ankorondrano. Teo amin’ny sokajy latsaky ny 14 taona kosa, mbola anisan’ny tafakatra famaranana ihany koa ny GNVB ary tena nampiseho lalao avo lenta. Hafana, araka izany, ny lalao anio, satria ireo ekipa sangany no tafakatra ary hampitsanga-mitoetra ny lalao, na ny U14 na ny U18.
Mi.Raz