“Pureplay Football League” : Ho fantatra ireo ekipa tafita «playoff»

Hotanterahina anio sy rahampitso ny andro faha-11, fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, « World Cola PFL », taranja baolina kitra. Hafana tanteraka ity andro farany ity, hiady ny tapakila hiakarana amin’ny dingana manaraka ireo ekipa sahirana nandritra ny andro folo efa vita izay. Araka ny fikarohana natao, ilay toerana fahavalo sisa no hiadivana. Anisan’ireo mbola tsara toerana amin’izany ny Uscafoot, ny FC Rouge, ny Mama FC. Raha ny fantatra, efa tafita amin’ny dingana manaraka ny As Fanala­manga, ny Fosa Juniors, ny Disciples Fc, ny Elgeco Plus, ny Ajesaia, ny CFFA, ny Cosfa. Tsara marihina fa amin’ity fifaninanam-pirenena ity, tsy misy ny klioba milatsaka any amin’ny diviziona ambany, raha tsy misy ny fiovana farany. Ankoatra izay, ampahafantarina ihany fa natao hanomanana ireo mpilalao handrafitra ny Barea hanao “Chan 2024”, any Kenya, Tanzanie ary Ounganda ity fifaninana nasionaly ity.

Fitia Randria

Ireo lalao rehetra:
sabotsy:
-Kianja Imerintsiatosika: 2 ora : Mama FC vs Elgeco Plus
-Kianja Velodrome Antsirabe: 2 ora : Disciples Fc vs CFFA
-Kianja Ambohidratrimo: 2 ora : As Avenir Ste Anne vs Fc Rouge
-Kianja Alarobia: 2 ora : Uscafoot vs As Fanalamanga
-Kianja Rabemananjara Mahajanga: Tsaramandroso FC vs Ajesaia
Alahady:
Kianja Rabemananjara Mahajanga: Fosa Juniors vs Cosfa

Partager sur: