Hitondra vokatsoa amin’ny fitandroana ny tontolo iainana ny fahaiza-mitantana ny fako. Anisan’ny tombontsoa lehibe amin’ny fanodinana azy ho lasa vokatra azo ampiasaina ny famadihana ny fako ho lasa angovo. Nomarihin’ny minisitry ny Angovo sy ny akoranafo (MEH), Olivier Jean Baptiste, nandritra ny fanokafana ny Tsenaben’ny fako tetsy amin’ ny Carlton, ny 17 avrily teo, fa mbola mampiasa saribao sy kitay ny 95% ny tokantrano malagasy. Mbola miankina amin’ny solika ihany koa ny famokarana herinaratra. Araka izany, tanjona ny hampiasana fandrahoan-tsakafo amin’ny angovo madio ny 50% ny tokantrano malagasy hatramin’ny 2030.
Hanatrarana izany, nohazavain’ny minisitra fa tsy maintsy misy ny fiaraha-miasan’ny fanjakana amin’ny sehatra tsy miankina. Ao ireo orinasa lehibe sy salantsalany, misy ny mpamokatra eny ifotony, eo ny mpikaroka ary ny mpianatra, entina hampiroboroboana ny fitantanana ny fako, manomboka izao. Nisy ny fanaovan-tsonia mirakitra ny fiaraha-miasan’ny fanjakana sy ny tsy miankina momba ny tetikasa fitantanana ny fako, tamin’io 17 avrily io.
Nambaran’ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovain-jafy (Medd), Andonirina Max Fontaine, fa efa misy ny tetikasa amin’ny fanodinana ny fako an-tanàn-dehibe. Anisan’izany ny any Toamasina, izay hifarana amin’ ny 23 mey 2025 ny fara-fandraisana ny antso tolobidy.
Njaka A.