Vokatry ny lozam-pifamoivoizana: Iray maty, 135 tonga nanatona hopitaly nandritra ny fetin’ny Paka

Raha ny tatitra vonjimaika voaray teo anivon’ny hopitaly HJRA omaly, olona iray no maty nandritra ny fetin’ny Paka. Nahatratra 135 kosa ireo nanatona hopitaly. Vokatry ny lozam-pifamoivoizana ny ankamaroan’izany.

Olona iray no fantatra fa maty nandritra ny fankalazana ny fetin’ny Paka, ny alahady sy ny alatsinainy lasa teo, raha ny tatitra vonjimaika voaray teo anivon’ny hopitaly CHU JRA Am­pefiloha, omaly. Nahatratra 135 kosa ireo olona tonga nanatona teny anivon’ny hopitaly, indrindra ny teo anivon’ny sampana vonjy taitra, raha ny tatitra voaray hatrany. Saika naratra sy maty vokatry ny lozam-pifamoivoizana an-dalambe (teo amin’ny fiara sy kodiaran-droa) avokoa ny ankamaroan’ireo olona tonga teny anivon’ny hopitaly ireo, raha ny fanazavana voaray. Manodidina ny 20 teo ho eo ireo tranga mahakasika izany tamin’ireo antontanisa ireo.

Nahatratra folo ny olona tonga teny anivon’ny trano famelomana aina (réanimation medicale) teo anivon’ny hopitaly. Saika vokatry ny fisotroana toaka be loatra ny ankamaroan’ireo naratra ireo, raha ny tatitra voaray. Efa nahazo fitsaboana ary nalefa nody ny ankamaroan’ireo olona naratra ireo. Mbola misy kosa ireo notazomina sy manaraka fitsaboana eny an-toerana hatramin’izao, noho ny ratra mafy loatra nahazo azy ireo.

Tetsy Ambohitrimanjaka

Naratra vokatry ny lozam-pifamoivoizana tetsy Ambo­hitrimanjaka, ny sabotsy lasa teo, io olona maty io, raha ny tatitra voaray. Naratra mafy ary nentina novonjena avy hatrany teny anivon’ny hopitaly HJRA izy taorian’ny tranga. Raha ny fantatra, nitaingin-droa tamin’ny moto ity lehilahy ity ary nofaohan’ny fiara izay nentina teratany vahiny teny amin’ny Digue Amboh­itri­manjaka. Naratra mafy vokatry ny fifandonana nandritra izany ireo olona nitaingina ilay kodiaran-droa. Tsy tana intsony ny ainy rehefa nialana nenina teny anivon’ny hopitaly, ny alahady teo. Raha toa ka mbola manaraka fitsaboana kosa ilay olona iray niaraka taminy. Andrasana ho an’ny anio ny tatitra ofisialy eo anivon’ny hopitaly HJRA, nandritra ny fankalazana ny fetin’ny Paka. Andrasana ho an’ny anio ny tatitra ofisialy eo anivon’ny hopitaly HJRA, nandritra ny fankalazana ny fetin’ny Paka.

Mino

 

Partager sur: