Nirehitra ny sabotsy tamin’ny 12 ora alina teo, ny Bazary kely Toamasina. Niredareda ny afo, nifampitaona namono izany ny fokonolona sy ny vondrona mpamonjy voina. Niainga avy tao amin’ny tranoheva fivarotana vokatra malagasy “Art malagasy” ny afo, raha ny angom-baovao natao tany an-toerana. Efitra tsy misy herinaratra ary tsy nisy olona natory tao anatiny. “Nahenoana fofona solika tao amin’ny kioska nisy olona natory, izay nifanandrify tamin’ny trano nisy nandoro”, hoy kosa ny angom-baovao sasany. Hatramin’ny fotoana nanaovana fanadihadiana tany an-toerana, mbola tsy hita popoka ary tsy azo antso an-tariby ny mpiambina ity tranombarotra ity.
Miisa 72 ny tranoheva kilan’ny afo, nandritra ny firehetana. Potika nandritra izany ireo karazan’entana maro isan-karazany tao anatiny. Toy ny vokatra vita malagasy, kirako, vatomamy sy bisokia, hazandrano, akoho amam-borona efa voavoly, vilany, tapakazo, lamba, boky tonta zavatra vita amin’nyfitaratra, toy ny vilia, vera, sy ny maro hafa izany. Tonga nijery ny zava-misy tany an-toerana ny ben’ny Tanànan’ i Toamasina, ny mpitsara, Andriafanomezantsoa Alain Lovaheritina.
Marihina fa efa nitrangana firehetana toy izao iny toerana iny, ny 18 aogositra tamin’ny taona 2004. Tsy latsaky ny 100 ireo tranoheva kila forehitra tamin’izany.
Sajo