Misaona izao tontolo izao sy ny fiangonana. Nodimandry omaly 21 avrily ny papa François. 88 taona izy izao lasa izao rehefa nolazoin’ny aretina pnemonia.
Matin’ny aretina nikiky azy nandritra ny fotoana maharitra ny lehiben’ny fiketrahana Masina ao Vatican na ny papa ray Masina François. Omaly maraina, tamin’ny 7 ora sy 35 minitra, no niala aina izy, araka ny fanambarana ofisialy. Maty tao amin’ny trano fonenany, ao Casa Santa Marta.
Mbola niarahaba ny mpino kristianina izy noho ny fetin’ny paka, afakomaly. Tsy nahasakana azy ny tsy fahasalamany. Hita ho mbola marefo izy, ary tsy nisy fiovana ny toe-pahasalamany nanomboka ny febroary.
Teraka tamin’ny 1936 tao Arzantina izy ary papa voalohany avy any Amerika sy tsy teratany, eoropeanina tao anatin’ny arivo taona mahery. Jorge Mario Bergoglio no tena anarany ary nandray ny toerany nandimby ny papa Benoît XVI, ny 13 marsa 2013. Papa faha-266 teo amin’ny tantaran’ny eglizy i Jorge Mario Bergoglio. Nianatra filozofia izy nandritra ny taona maro. Avy eo nianatra teolojia ary nandray ny toerana maha arsevekan’i Buenos Aires, any Arzantinina. Nitantana ny fiangonana katolika izy nandritra ny 12 taona.
Tranobe
Anisan’ny nahafantarana azy ny fandeferany, ny fanohanany ny marefo, sy ny ezaka nanavaozana ny fiangonana katolika. Nampiavaka koa ny tsikitsiky, ny fahatsoram-po ary ny fanetren-tena nananany. Ny fivoizany ny “Tranobe iombonana” na ny fiarovana ny tontolo iainana.
Mahakasika ny fandevenana azy, efa nanambara ny toerana hanitrihina azy ny papa François. Maniry ny halevina ao amin’ny bazilika Santa Maria Maggiore, ao afovoan’i Roma izy, araka ny fangatahany ny faramparan’ny taona 2023. Izay no hafatra napetrany ka tsy hilahatra amin’ny vatana mangatsiakan’ny papa rehetra ao amin’ny bazilikan’i Md Piera izy araka izany.
Aharitra sivy andro ny fisaonana saingy efa miomana amin’ny “Conclave” hisafidianana ny handimby azy ny any Vatican ankehitriny.
Synèse R.