Efa tonga any Maroc ireo delegasionina malagasy Barea Ladies, izay miatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina kitra anaty efitrano «Futsal 2025», sokajy vehivavy. Tsiahivina fa miisa 18 mirahavavy izy ireo no nentin’ny mpanazatra, Manitriniaina Steve Princy. Hifandona amin’ny ekipa nasionaly senegaley moa izy ireo.
Hiankina amin’ny lalaon’ny Uscafoot sy ny Fosa Juniors, hatao ny 27 avrily ho avy izao, any Mahajanga, ny hahatafita na tsia ny Mama FC any
amin’ny dingan’ny “Playoffs”, fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, “World Cola PFL”. Tsiahivina fa mbola eo amin’ny laharana fahavalo vonjimaika ny Mama FC. Raha mandresy moa ny Uscafoot amin’io fihaonana io, izy ireo no miakatra any amin’ny dingana manaraka.
Mitohy hatrany ny fiofanana hahazoana ny mari-pahaizana DAF (Diplôme d’animateur fédéral), ho an’ny mpampianatra ny taranja karate. Fiofanana izay hatao eny amin’ny ANS Ampefiloha, nanomboka ny herinandro lasa teo ary haharitra 5 herinandro.
Tontosa ny faran’ny herinandro teo, tany Toamasina, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja lomano, ho an’ny dobo filomanosana 50 metatra. Nisy ny famontsanana zava-bita tsara indrindra, ka anisan’izany ny Malagasy mpilomano, Rabejaona Holy Antsa. Nahazo medaly volamena moa izy.