Halatra moto tetsy Isotry : Roa lahy voasambotry ny polisy

Nifenehatra tamin’ny mpitandro filaminana, roa lahy mpangalatra moto voasambotra teo Isotry, ny alin’ny alatsinain’ny Paka teo. Nisy nanosika mangingina niala ny toerana nametrahan’ny tompony azy tao Anatihazo, ny moto scooter marika Yamaha, tamin’io alina io. Nampahafantatra ny polisim-pirenena miasa eo anivon’ny CSP4 ny tompon’entana. Nanao ny fanarahan-dia ny polisy ka telo lahy tratra nanosika moto teny Isotry. Nanao tari-dositra avy hatrany ireo olon-datsy. Navelan’izy ireo ny moto. Tafaporitsaka ny iray raha toa ka tratra ny roa lahy. Niaiky heloka tokoa ireto farany fa nangalatra an’io moto io. Karohina ilay fahatelo nandositra. Natolotra ny fampanoavana ireo roa lahy. Naverina amin’ny tompony ilay moto. Mitohy ny hazalambo ataon’ny polisim-pirenena manoloana io mpanao ratsy eto an-dRenivohitra.

Tsiferana R.

Partager sur: