Niompana amin’ny sehatra marolafy ny fihaonan’ny filoha Rajoelina Andry sy ny filoha frantsay, Emmanuel Macron, teny Iavoloha, omaly. Anisan’izany ny momba ireo Nosy malagasy.
Nivoitra tamin’izany fa hitohy any Paris, Frantsa ny fivorian’ny vaomiera iraisan’i Frantsa sy i Madagasikara momba ireo Nosy malagasy. “Nanomboka ny taona 2019 no niresahana azy io ka tokony hanana fijery iraisana”, hoy ny filoha Emmanuel Macron. Nanambara kosa ny filoha Rajoelina Andry fa tokony hahitana vahaolana miaraka eo amin’ny firenena roa tonta ny momba ireo Nosy ireo.
Etsy andaniny, vita sonia ny fifanarahana enina eo amin’ny firenena roa tonta. Anisan’izany ny famatsiam-bola ho an’ny fotodrafitrasa ao Volobe sy ny famokarana herinaratra ao amin’ny reniranon’Ivondro. Hisitraka famatsiam-bola 25 tapitrisa euros kosa ny fanatsarana ny politikan’ny fanabeazam-pirenena, ahafahana mampiditra ireo tanora eo amin’ny sehatry ny fihariana sy ny toekarena.
Sehatry ny harena an-kibon’ny tany
Ankoatra izany, 20 tapitrisa euros hanohanana sy hanatsarana ny fambolena ka natao ho fanomezana ny 5 tapitrisa euros amin’izany. Vita sonia koa ny fiaraha-miasa ho amin’ny filatsahana an-tsitrapo anaty firaisankina hiarahana miasa amin’ny France Volontaires eto Madagasikara sy ny fifanakalozana
amin’izany sehatra izany.
Natsidiky ny filoha Frantsay koa fa anisan’ny mahaliana azy ireo ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany ka tokony hisian’ny fiaraha-miasa stratejika eo amin’ny firenena roa tonta. “Tokony hampiroboroboana ny fiaraha-miombon’antoka amin’izany sehatra izany”, hoy izy. Voaresaka koa ny hanatsarana ny fitaterana an-dalamby. Anisan’izany TCE, Antananarivo-Toamasina sy ny FCE, Fianarantsoa – Manakara. Ny hananganana ozinina mpamokatra zezika ankoatra ny hisitrahana masomboly maimaimpoana ho an’ny varim-bazaha sy ny katsaka.
Synèse R.