Fandraisana ny filoha Frantsa: Voaporofo ny fahaizan’ny Malagasy mandray vahiny

Henin-kaja sy voninahitra ny Malagasy tamin’ny fandraisana ny filoha Frantsay, Emmanuel Macron sy ireo filoham-panjakana, hafa, tonga eto Madagasikara. Nilamina amin’ny ankapobeny ny fandraisana ireo vahiny. Nirindra avokoa ny fifamoivoizana tamin’ireo lalana rehetra teto an-drenivohitra, omaly. Nanohy ny asany andavanandro ny fiara fitateram-bahoaka sy ireo zotra nasionaly. Tahaka izany koa ny maro amin’ireo mpivarotra rehetra eto Antananarivo sy ny manodidina.
Hentitra ny fitandroana ny filaminana tamin’ny toerana samihafa ary voarindra araka ny tokony ho izy izany. Nia­trana amin’ireo lalana samihafa, toy ny eny Tsarasaotra, By Pass, Iavoloha izy ireo… Tahaka izany koa ny manoloana ny Lapan’ny tanàna sy ny araben’ny Fahaleovan­tena, Analakely. Maherin’ny 1800 raha teo ireo mpitandro filaminana nahetsika.
Etsy andaniny, efa nanamorona ny lalana Tsara­saotra, nanomboka tamin’ny 8 ora maraina ireo andian’olona nitsena ny filoha Frantsay. Nanofahofa ny sainam-pirenena malagasy sy frantsay, rehefa nandalo ireo delegasionina vahiny.
Tsiahivina fa nigadona tamin’ny 10 ora sy sasany teny Ivato ny filoha Frantsay. Nitsena azy ny Praiminisitra, Ntsay Christian sy ny minisitra Andriantsitohaina Naina ary ny ambasadaoro Frantsay, Arnaud Guillois. Nihazo an’ Iavoloha avy eo ny filoha Emmanuel Macron mivady ary noraisin’ny filoha Rajoe­lina Andry, mivady. Nitohy tamin’ny fihaonana manokana naharitra 40 minitra teo amin’izy samy filoha izany.

Synèse R.

Partager sur: