Nisahana ny fitsenana ireo vahiny, filoham-panjakana sy lehiben’ny governemanta teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato ny Praiminisitra Ntsay Christian amin’izao hiatrehana ny fihaonana an-tampon’ny COI izao.
Vahiny voalohany notsenainy, afakomaly, ny filohan’ny Repoblikan’i Seychelles, Wavel Ramkalawan sy ny vadiny, Linda Ramkalawan. Anisan’ireo handray anjara amin’ny fivorian’ny COI, hatao eny Ivato, anio izy ireo. Notsenain’ny Praiminisitra koa ny filohan’ny Repoblikan’i Maorisy, ny Dr. Navinchandra Ramgoolam sy ny vadiny, Veena Ramgoolam izany. Anisan’ny tonga, omaly koa ny filohan’ny vondro-Nosy kaomorianina, Azali Assoumani sy ny vadiny, Azali Ambari. Manampy izany ny nitsenany ny filoha Frantsay, i Emmanuel Macron, sy ny vadiny, Brigitte Macron.
Mampiharihary ny fifamatorana sy fifanajana eo amin’i Madagasikara sy ireo firenena aty amin’ny ranomasimbe Indianina avokoa izany ary hanoratra tantara vaovao eto amin’ny firenena ihany koa. “Voninahitra lehibe ho an’i Madagasikara sady reharehantsika Malagasy ny fandraisana andraikitra manokatra ny lalan’ny fahombiazana ara-pampandrosoana toy izao. Manamafy ny maha ambony toerana antsika eo amin’ny sehatra iraisam-paritra sy eo amin’ny lafiny ara-pifandraisana maneran-tany izany”, hoy ny fanambarana eo anivon’ny fiadidiana ny Primatiora.
Tanjona ho amin’ny fampandrosoana iraisana
Nanterin’ny fanambarana hatrany fa vavolombelon’ny fisian’ny fiaraha-miasa sy ny fifandraisana ara-diplomatika lalim-paka eo amin’i Madagasikara sy ireo firenena mpikambana ao anatin’ny COI izao fihaonana avo lenta hotanterahina anio izao. Ho amin’ny fifanakalozan-kevitra matihanina hanatratrarana tanjona iraisana ho an’ny fampandrosoana.
Synèse R.