Federasionina afrikanin’ny fonjamby : Voafidy ho filoha lefitra Randriamanarivo Jean Alex

Notontosaina ny 22 avrily lasa teo, tany Maorisy, ny fivoriambe sy fifidianana teo anivon’ny federasionina afrikanina taranja fibatana fonjamby. Voafidy ho filoha lefitra Randriamanarivo Harinelina Jean Alex.

Randriamanarivo Harine­lina Jean Alex, izay filohan’ny federasionina malagasin’ny fibatana fonjamby no voafidy ho filoha lefitra eo anivon’ny federasionina afrikanina ny taranja Weigh­tlifting na ny fibatana fonjamby. Fifidianana tontosa ny talata 22 avrily lasa teo, tany Maorisy. Tsy vaovao eo amin’ity taranja ity izy, na eto an-toerana, na eo amin’ny sehatra afrikanina ary maneran-tany mihitsy aza. Efa mpikambana ela tao amin’ny birao mpanatanteraka, eo anivon’ny Kaomisionina teknika ny taranja fibatana fonjamby eto Afrika, ny filohan’ny Federa­sionina malagasy, Randria­ma­narivo Harinelina Jean Alex. Toraka izany ny teo anivon’ny federasionina iraisam-pirenena, efa mpikambana teo anivon’ny kaomity teknika ny IWF (Internationational Wei­gh­tlifting Federation) ihany koa izy. Anisan’ny manana atleta misongadina i Mada­gasikara eo amin’ny taranja fibatana fonjamby, raha tsy hitanisa afa-tsy ry Rosina, Andriantsitohaina Eric sy Tojo, izay efa nitondra avo ny voninahi-pirenena nanerana an’i Afrika sy izao tontolo izao. Taratra ny fahaiza-mitantana teo amin’ity filohan’ny federasionina malagasin’ny fibatana fonjamby ity izany vokatra tsara izany. Tsy teo amin’ny lafiny fitantanana ihany fa efa atleta “olympien” izy, ary teknisiana izay vao lasa mpitantana. Tena mendrika azy izao toerana maha filoha lefitra ny WFA azy izao. Tombony ho an’ny fanatanjahantena malagasy ny fananana olona misehatra eo anivon’ny fitantanana ny fanatanjahantena eo anivon’ny kaontinanta, ka antenaina fa hitondra vokatsoa izany, indrindra ho an’ny atleta malagasy.

Mi.Raz

Partager sur: