Mbola noporofoin’ny Makis de Madgascar fa mpanjakan’ny rugby eto amin’ny ranomasimbe Indianina izy ireo. Norombahin’izy ireo avokoa mantsy ny amboara teo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ranomasimbe Indianina (Aroi), sokajy U18 lahy sy vavy. Fihaonana, natao tetsy amin’ny kianja Andohatapenaka ny alatsinainy 21 avrily lasa teo.
Teo amin’ny sokajy vehivavy, tsy resy mihitsy ny Makis Ladies, nanomboka tany amin’ny fifanintsanana ka hatreo amin’ny famaranana. Raha tsiahivina, teo amin’ny manasa-dalana, lavon’ny Makis ladies tamin’ny isa 19 no ho 10 i Maurice ary nomontsanin’ny tovovavy malagasy tamin’ny isa mazava, 24 no ho 0 i La Réunion.
Ho an’ny tovolahy indray afa-bela tamin’ny La Réunion ny Makis. Resin-dry zareo renioney, tamin’ny isa 26 no ho 17. Teo amin’ny manasa-dalana, lavon’ny Malagasy, tamin’ny isa 26 no ho 5 i Maurice teo amin’ny manasa-dalana ary tamin’ny isa 25 no ho 5 teo amin’ny famaranana, nanoloana an’i La Réunion. Notoloran’ny filohan’ny Malagasy Rugby, fanomezana ireo mpilalao taorian’ity fandresena azon’izy ireo ity.
Tompondaka