Tanora dimy mianadahy, mpianatra, maty an-drano rehefa nilomano tany Antsanitia Belobaka Mahajanga, omaly atoandro. Nahitana lehilahy efatra sy vehivavy iray. Tanora mpianatry ny Lycée Manjakandriana, nanao dia fibeazana tany Mahajanga ireo tra-doza ireo.
Nitsidika ny “plage Antsanitia” Belobaka ireo mpianatra avy amin’ny Lycée Manjakandriana omaly tamin’ny 12 ora sasany atoandro. Nilalao ranomasina ireo mpianatra nanomboka tamin’ ny 1 ora tolakandro. Niara-nilomano nitokana somary niala tamin’ny namany ireo tanora enina mianadahy, niharan-doza. Voalaza ho nosintomin’ny rano ilay tovovavy tamin’izy ireo ka lasa tany amin’ ny lalina. Niezaka nanavotra azy io, ireo namany dimy mirahalahy saingy niara-nilentika tao. Nifamonjena tao anaty rano izy rehetra saingy tsy avotra ny dimy, raha avotra soamantsara ny iray. Nentina notsaboina sy nialana nenina teny amin’ny hopitaly manara-penitra Mahavoky Atsimo Mahajanga ihany fa tsy nisy aina intsony. Nalefa eo anivon’ny tranom-paty kosa ny razana taorian’izay. Marihina fa nitondra mpianatra 90 mahery ny tomponandraikitra nanao ity dia fibeazana ity, izay nahitana kilasy voalohany sy famaranana. Manodidina ny 14, 15, 16 eo ny salan-taonan’ireo mpianatra ireo. Nigadona tany an-toerana afakomaly izy ireo ary nikasa hiverina ny sabotsy ho avy izao. Tonga nijery ny zava-misy teny an-toerana sy nanao ny fanadihadiana ny OMC sy ny lehiben’ny polisy ary ny zandary. Tonga nankahery ireo mpampianatra tomponandraikitra ny ben’ny Tanànan’i Mahajanga. Nitondra voatsirambin’ny tanana hanamaivanana ny fikarakarana ny hitondrana ireo razana.
Antsanitia, toerana misy fady
Toerana iray anisan’ny misy fady ny Antsanitia Mahajanga ka tokony ilaina fitandremana ho an’ny vahiny rehetra tonga hitsidika any, raha ny fanazavana voaray avy any an-toerana. Anisan’ny antony miteraka fahafatesana tahaka izao ny fanotana fady ataon’ ireo vahiny tonga any. Tokony hanaja ny fady hatrany ireo olona tonga mivahiny any an-toerana. Anisan’izany, ny tsy fahazahoana mitondra sakafo misy kisoa sy ny mitondra elo ao an-toerana. Manentana ny rehetra hatrany ny tomponandraikitra mba hanaja ny fady sy hanaraka izay lazain’ny tomponandraikitra sy tompon-tany any an-toerana. Mba hisorohana ny loza tahaka izao.
Mino