Nanohitra zandary : Dahalo maty voatifitra

Dahalo mpangalatra omby lavon’ny mpitandro filaminana nandritra ny fifanjevoana tao amin’ny fokontany Ambahary, kaominina Manerinerina, distrikan’Ambatoboeny, omaly maraina. Tratra teo am-pangalarana omby io dahalo fanta-daza amin’ny solon’anarana hoe Dauphin io. Nentina hamonjy ny biraon’ny zandary izy. Notolominy io mpitandro filaminana nitondra azy io ary nokasainy alaina ny fitaovam-piadiana. Niaro-tena ny zandary ary nampiasa ny basy teny aminy. Voan’ny bala i Dauphin ka antony nitarika ny famoizan’aina. Efa matetika mpanao halatra omby ao amin’ny distrikan’Amba­toboeny io lehilahy io saingy izao vao tratra. Natolotra ny fokonolona ny vatana mangatsikany. Mitohy ny hazalambo ataon’ny zandarimaria manoloana ny fisian’ny dahalo sy ny fakana an-keriny ao amin’io distrika io.

Tsiferana R.

Partager sur: