Voasambotry ny zandary ireo dimy lahy nandroba mpivady teny amin’ny fokontany Ampefiloha, kaominina Fenoarivo, distrikan’Antananarivo Atsimondrano, ny alarobia 23 avrily teo. Niandry kendry tohana ireo mpody hariva teny amin’ny sampanan’i Malaza ireo dimy lahy. Nifanena tamin’ ny mpivady izy ireo. Notazomin’izy dimy lahy avy hatrany ny raim-pianakaviana. Nandositra niampita ny arabe sady niantso vonjy tamin’ny mpandalo ilay ramatoa vadiny. Voaroban’ireo mpanendaka ny poketra niampy ny sakaosy sy ny radio teny amin’izy mivady. Nahare ny zava-nitranga, nifanampy tamin’ny fanarahan-dia ireo mpanao ratsy ny fokonolona. Naharay antso raha teo ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny zana-tobim-paritra Ambohijafy. Vokany, tratra ny roa lahy tamin’ ireo mpandroba. Natao famotorana ireo mpanao ratsy. Niaiky heloka izy roa lahy fa nanao io asa ratsy io. Nitoroka ny toeram-piavian’izy ireo sy ny namany. Tafakatra dimy ireo tra-tehaky ny zandary. Tsy ampy taona ny iray tamin’ ireo mpanao ratsy ireo izay vao 17 taona monja. Naverina tamin’ny tompony ny entana nalain’izy ireo. Hatolotra ny fitsarana ireto farany aorian’ny fanadihadiana azy.
Tsiferana R.