“Tokony hijoro hitondra fanazavana ara-teknika amin’ny zava-nitranga ny tomponandraikitra. Aorian’izay, mandeha ny fanadihadiana. Mety hisy ny fandraisana andraikitra”. Io ny nambaran’ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina sady mpitondra tenin’ny governemanta, i Mara Volamiranty Donna, teny amin’ny CCI, Ivato, omaly, ny amin’ny fahatapahan-jiro teny amin’ny CCI, Ivato, tao anatin’ny kabarin’ny filoha Rajoelina Andry momba ny olana amin’ny famatsian-jiro. Isan’ ambaratongany avy ny tomponandraikitra rehetra. Tsy misy ifandraisany amin’ny filoha Rajoelina Andry ny fahatapahan-jiro.
“Misokatra amin’izao tontolo izao i Madagasikara, ary hipaka faran’izay haingana any amin’ny isan-tokantrano ny politika napetraky ny eo anivon’ny COI”, hoy kosa izy momba ny fanombohana ny fihaonana an-tampony. Raha ireo kabary fanokafana nifandimbiasana, mitovy ny fomba fijery amin’ny fampiraisam-po amin’ny ankapobeny. Eo amin’ny fijery, indrindra ny amin’ny lohahevitra: ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Ao anatin’ny tontolon’ny fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra izany. Miankina amin’ny toe-piainana izay, ary mifanandrify amin’ny politika napetraky ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry: ny nametrahana ny departemantan’ny fahaleovantena ara-tsakafo. Raha ny velaran-tany aty anivon’ny Vaomieran’ny Ranomasimbe Indianina (COI), i Madagasikara no manana ny 90 % ny tany azo hambolena. Voalaza fa 36 tapitrisa ha izany. Mirindra tsara ny politika napetraky ny filoha Rajoelina Andry ny amin’ny lohahevitra fahavitan-tena ara-tsakafo. Rariny sy hitsiny raha natao teto Madagasikara ny fihaonana an-tampon’ny COI.
R. Nd.