Manan-danja ny fandaharam-potoana ato ho ato ho an’ny eo anivon’ny Federasionina malagasin’ny kick-boxing. Taorian’ny fiadiana ny amboaran’ny ranomasimbe Indianina natao andro vitsy lasa izay, nahazo fanasana tamin’ny klioban’ny Guerreros ihany koa izy ireo, handray anjara amin’ilay ady iraisam-pirenena « Lemur Cup » hatao etsy amin’ny Lapan’ny Fanatanjahantena Mahamasina, ny 17 mey 2025, izy ireo. Aorian’izay, hisy ny fifaninanana “World Games” hatao any Chine, ny volana aogositra izao, izay handraisan’i Nambininjanahary Moustepha anjara. Ho fanomanana ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany izay hatao any Abu Dhabi, ny volana novambra izao, ireo fifaninanana roa ireo. Mahakasika ny ‘Lemur Cup”, miankina amin’ny sokajin-danja hifaninana fa efa vonona ireo kicker Malagasy, hoy ny Maitre Romuald tetsy amin’ny dojo RKC, ny faran’ny herinandro teo. Ny efa azo antoka, hoy izy dia handray anjara amin’io i Moustepha (-63,5kg). Nampahafantarin’i Johariniriana, izay mpitsara sady tomponandraikitra eo anivon’ny klioba Guerreros, fa taranja maro no handray anjara amin’io, toy ny K1, Kick boxing, Pancrace, Jiu-jitsu. Firenena maro koa no ho avy, toa an’i Canada, Maorisy, La Réunion, Afrika atsimo.
Mi.Raz