Fampandrosoana ny kaominina : Nofanina momba ny fitantanam-bola ny ben’ny Tanàna

Niompana momba ny fi­tantanam-bola sy ny fitantanan-draharaham-panjakana ny fampiofanana andiany voalohany ho an’ireo ben’ny Tanàna sy mpanolotsaina ho an’ny faritanin’Antsiranana. Nitarika izany tetsy Anosikely, ny kestoran’ny Antenimieran­do­holona, Eddie Fernand, efa ben’ny Tanànan’Antalaha teo aloha. Nampitaina amin’ireo mpitantana eny ifotony koa ny momba ny tontolo fitantanana kaominina sy haitarika ary ny fahaiza-mitantana ny raharaham-panjakana eny anivon’ny kaominina.
Nitondra ny fahaiza-ma­naony sy nampita ny momba ny fitsinjaram-pahefana sy
ny fitantanana ary koa ny mom­ba ny tetibola andraisan’ny rehetra anjara kosa ny Dr Rasamijaona Malalaniaina Noelisoa. “Tanjona ny mba hanampiana ny traikefa, efa ananan’ireo ben’ny Tanàna sy ny mpanolotsaina. Samy mikirakira raharaham-panjakana eny ifotony avokoa izy ireo”, hoy ireo nandaha-teny. Niahy izany kosa ny eo anivon’ny Antenimierandoholona, amin’ny maha andraikitr’izy ireo ny fiahiana ny ben’ny Tanàna sy ny mpanolotsaina.
Nisaoran’ireo mpitantana eny ifotony ny eo anivon’ny ity Andrimpanjakana ity tamin’izao fampitana fahaiza-manao sy traikefa izao ary ny nanomezana alalana nanatanterahana izao fanofanana izao.
Tsiahivina fa tsy nanavahana na ireo ben’ny Tanàna sy mpanolotsaina, miakina na tsy miankina amin’ny fanjakana ny fanofanana.

Synèse R.

Partager sur: