Barea : Hanoman-tena any Frantsa

Araka ny siosion-dresaka mandeha amin’izao fotoana izao, hanao lalao ara-pirahalahiana any Frantsa, ny Barea ny volana jona. Ankoatra ny Repoblika Demokratikan’i Congo (RDC), iray amin’i Guinee Bissau sy i Congo Brazzaville no hifanandrina amin’ny Barea, raha tsy misy ny fiovana farany. Tsy mbola misy ny fanambarana ofisialy nataon’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF), mahakasika izany. Tsiahivina ihany fa ity lalao hatao amin’ny volana jona ity, tafiditra amin’ny « Fenêtre Fifa », ary fe-potoana iray izy io hahafahan’ny firenena tsirairay manomana ny fifaninanana iraisam-pirenena. Raha ho an’ny Barea, natao hanomanana ny lalao fifanintsanana « Mondial 2026 » izany. Marihina fa mbola tsara toerana ny Barea amin’izany, eo amin’ny laharana fahatelo no misy azy ireo, ao amin’ny vondrona « I », ary manana isa 10.
Ampahafantarina ihany fa zava-dehibe ny lalao ara-pirahalahiana tahaka izao, hisy filaharan’ny Fifa vaovao hivoaka indray aorian’io fitsapana izay hatao ny volana jona ho avy io. Tsara ny mampatsiahy fa eo amin’ny laharana faha-115 amin’ny filaharan’ny Fifa, ny Barea de Madagascar.

Fitia Randria

Partager sur: