Namaky biraon’ny kaominina: Roa lahy nandroba 1 tapitrisa Ar naiditra am-ponja

Niakatra fampanoavana, ny sabotsy 26 avrily teo, notanana vonjimaika any am-ponja ireo roa lahy namaky ny biraon’ny kaominina Ambatolaona. Novakian’izy ireo ny fitehirizam-bola ka lasa ny 1 tapitrisa Ar.

Roa lahy nohazonina vonjimaika any am-ponja, ny sabotsy 26 avrily teo, miandry ny fotoam-pitsarana azy. Nandray anjara mivantana tamin’ny famakiana ny biraon’ny kaominina Ambatolaona, distrikan’i Man­jakandriana izy ireo, ny alin’ny alakamisy hifoha ny zoma 17 avrily lasa teo. Nopitsohan’ ireo farany ny hidin-tranon’ny kaominina. Nalainy ny vata fitahirizam-bola ka nopotehiny. “Nariany tany amin’ny 400 m miala ny tanàna io vata io”, hoy ny fanazavan’ny zandary lehiben’ny tobi-paritra Manja­kandriana. Very tamin’izany, ny vola tahirin’ny kaominina mitetina 1 tapitrisa Ar. Nam­pandre ny manam-pahefana avy hatrany ny tomponandraikitry ny kaominina lasibatra. Natao ny fikarohana ireo ahina ho nahavanon-doza. Folo andro taty aoriana, nahazo loharanom-baovao mari-pototra avy amin’ny tsara sitrapo ny zandarimaria. Olo­na telo voasambotra. Niara-natao famotorana izy ireo ka niaiky heloka ho nanao io asa ratsy io ny roa.

Karohina ny namany
Misy anaran’olona hafa voatonona ireo mpandroba ireo ho niara-nanao io asa ratsy io. Karohin’ny mpitandro filaminana ireto farany. Mari­hina, nopotehan’izy ireo tamin’ ny alalan’ny vy mihitsy ny vata fitahirizam-bola vao nahatafavoaka ilay tahirin’ny kaominina izy ireo. “Mponina mipetraka tsy lavitry ny kaominina ary mahay ny fizotran’ny asa ireo nahavanon-doza”, hoy ny zandary. Manoloana ny tranga tsy fandriampahalemana ao an-toerana, nanamafy ny fiaraha-mientan’ny mponina amin’ny alalan’ny fanavaozana ny andrimasom-pokonolona ny kaominina Ambato­laona. Miantso fifanomezan-tanana avy amin’ny olona eny ifotony ahafahan’izy ireo misambotra ara-potoana ny olon-dratsy ny mpitandro filaminana miasa ao an-toerana.

Tsiferana R.

Partager sur: