Niara-nilalao daomy tany Tsararivotra, distrikan’i Mampikony, ny lehilahy miisa telo ny 26 avrily 2025 lasa teo. Nisy ny tsy fifankahazoana teo amin’izy ireo nandritra ny lalao ka namoaka antsy ny lehilahy iray tamin’izy ireo. Notsindrominy tamin’izany avy hatrany ireo mpiara-milalao roa hafa. Vokany, naratra teo amin’ny tanany ireo lasibatra. “Tsy nahatsindry fo teo am-pilalaovana daomy teo amin’ny samy mpinamana ny lehilahy iray. Namoaka antsy izy ary namely izany tamin’ireo mpiara-milalao daomy niaraka taminy”, raha ny fanazavana voaray. Tonga nijery ny zava-nisy ny polisy avy ao amin’ny Komisaria Mampikony rehefa naheno ny zava-nitranga. Manoloana ny tranga, nandray andraikitra avy hatrany ny polisy nisambotra ity nahavanon-doza ity. Noentina tany amin’ny biraon’ny kaomisaria izy nanaovana fanadihadiana. Manoloana ny tranga tahaka izao, mampahatsiahy ny polisy fa mandray ny fitarainana sy antso ataon’ny olom-pirenena. Mandray andraikitra avy hatrany koa amin’ny tranga ilana izany. Entanina avokoa ny rehetra mba hiara-hiasa amin’ny mpitandro filaminana. Tanjona ny hitandroana ny fandriampalemana eny anivon’ny fiarahamonina rehetra eny.
Mino