Randriamalala Jean Yves: Maniry ny ho lasa mpilalao milaravinahitra any ivelany

Nifarana tanteraka ny 13 avrily teo ny dian’ny Makis Sevens, tany Pologne, nahazo ny laharana fahadimy ny Malagasy. Anisan’ireo mpilalao mendrika nandritra iny fifanintsanana iny i Jean Yves, Malagasy mpilalao.

Anisan’ireo mpilalaon’ny Makis Sevens nisongadina hatrany tamin’ny fifaninanana rugby lalaovin’olona fito, “Challenger Series”, izay natao tany Krakow, Pologne, Randriamalala Jean Yves na i Sprinter. Araka ny fanadihadiana natao taminy, ny afakomaly teo, tetsy Ivato, manana faniriana ny ho tafita lavitra amin’ity taranja rugby ity ny lehilahy. « Efa hatry ny ela aho no tia rugby ary ny tena faniriako sy tanjoko, ny ho lasa mpilaravinahitra any ivelany”, hoy i Jean Yves.
Nilaza anefa izy fa mbola sarotra ny hanatanterahana izany. Saingy, tsy ho kivy ity Malagasy mpilalao rugby ity raha tsy tratra ny tanjony. “Somary sarotra ihany ilay tanjoko raha eto Madagasikara, saingy raha misy ny mpanohana sy ny manosika ahy, hinoako fa vetivety ihany dia tanteraka io faniriako io”, hoy hatrany izy.
Tsy fahampiana traikefa

Hita ho lesoka ho an’ny ekipa nasionaly malagasy hatrany ny tsy fahampiana traikefa amin’ny fifanintsanana ambony tahaka ireny saingy azo hatao tsara ny mandresy azy ireny. “Niarahana nahita fa azo toherina tsara avokoa ny mpifanandrina rehetra tamin’iny fifanintsanana tany Polo­gne iny. Tombony ho an’ireo firenenena hafa hatrany ny fiatrehany fifaninanana maro iraisam-pirenena sy ny fananana fitaovana ampy tsara”, raha ny nambaran’i Jean Yves.

Ekipa nasionaly

Araka ny fitantaran’i Jean Yves, nanomboka ny taona 2016 teo izy no nanomboka nisalotra ny fanamiana ekipam-pirenena Makis, sokajy zandriny. Nampiavaka azy teo amin’ny fiainany ny nahazoan’i Madagasikara ny medaly volamena, nandritra ny lalaon’ny Nosy 2023, izay notontosaina teto an-tanindrazana.
Nilaza ity kintan’ny Rugby malagasy ity, fa tsy mitsanga-menatra izy ireo tamin’ireo fifanintsanana natao tamin’ity taona ity. “Tsy nitsanga-menatra ny Malagasy mpilalao tamin’ireo lalao rehetra natao tany Maurice, Afrika Atsimo, Polo­gne. Mangataka amin’ny fanjakana moa izahay mba hijery sy hanohana hatrany ny Malagasy mpilalao, voninahi-pirenena hatrany no arovana ary efa nanao ny ezaka rehetra izahay”. Tenin’i Jean Yves.

Fitia Randria

Fantaro ary

Nanomboka ny taona 2005, Randriamalala Jean Yves, no nilalao rugby voalohany tao amin’ny ekipan’ny FTM Manjakaray. Tao­rian’io izy, nilalao tao amin’ ny XV Dakar Manjakaray hatrany ary niverina tao amin’ny FTM Manjakaray ihany avy eo ka hatramin’izao. 25 taona i Jean Yves, ankehitriny ary efa ma­nambady sy manan-janaka iray.
Ankoatra ny Rugby, efa nilalao baolina kitra koa izy saingy tsy nanohy intsony noho ny ratra efa nahazo azy tamin’io taranja iray io. I Cheslin Kolbe, mpilalao rugby ao Afrika Atsimo, no tena ankafiziny any ivelany.
“ Raha tiana ny ho tafita lavitra amin’ity fanatanjahantena ity, ataovy izay hikolokoloana tsara ny vatana, tsy mandray zava-mahadomelina ary mifehy tena tsara ary ilaina fikirizana avokoa izay hatao rehetra”. Hafatr’i Jean Yves.

Partager sur: