Lelavola maherin’ny 1 tapitrisa lasan’ny jiolahy nitam-piadiana nandritra ny fanafihana tao amin’ny fokontany Besarety, kaominina Amparafaravola, ny alin’ny 26 aprily teo. Olon-dratsy roa lahy nitondra basy niditra an-keriny tao amin’ny trano roa samy hafa, tamin’ny 11 ora sy sasany alina. Tsy nisy alaharo, nambanan’izy ireo fitaovam-piadiana ny tompon-trano. Nitaky ireo zavatra sarobidy tao amin’ilay raim-pianakaviana izy ireo. Nanampoaka basy ireo olon-dratsy sady nanery ny olona tao amin’ny tokantrano voaroba hamoaka ny vola. Natahotra mafy ny ainy ny lasibatra ka voatery nanome ny vola. Ankoatra io, tranombarotra ilay faharoa niharan’ny fandrobana. Finday miisa enina niampy niampy vola 1 450 000 Ar azon’ireo tsy valahara tamin’ireo tokantrano roa. Vehivavy 23 taona tao anatin’ny trano nikasa handositra saingy nianjera tampoka. Folaka nandritra izany ny tanany. Nitsoaka ireo roa lahy taorian’ny asa ratsiny. Araka ny loharanom-baovao, basy fohy vita malagasy no nampiasan’ireo roa lahy nandritra ny fanafihana. Nidina ifotony nanao ny famotorana ny mpitandro filaminana miasa ao an-toerana. Karohina ny nahavanon-doza. Efa nahazo fitsaboana kosa ilay vehivavy naratra.
Tsiferana R.