Fasan’ny karana : Lehilahy iray namono tena, voahitsaky ny kamiao

Vaky sy niparitaka tamin’ny arabe ny atidohan’ilay lehilahy namono tena tao ambany kamiao, tetsy amin’ny Fasan’ny karana, omaly maraina. Hitan’ny olona nitomany izy talohan’ny nitsorahany tao ambanin’ilay fiara.

Lehilahy iray tokony ho 40 taona namono tena, ni­tsoraka tao ambany kamiao semi-remorque, omaly tamin’ny 10 ora latsaka 10 minitra. Niseho tetsy amin’ny Fasan’ny karana lalana mankany amin’ny rond point Ankadimbahoaka ny loza. Voahitsaky ny kodiarana aorian’ilay fiara lehibe ny lohany ka vaky sy niparitaka tamin’ny arabe. Vokany, maty teo no ho eo izy.
Nandeha an-tongotra avy any amin’ny Fasan’ny karana ary andeha ho any Anka­dimbahoaka ny lalan’ity lehilahy ity. Nifanena tamin’ny kamiao lehibe iray avy any Ankadimbahoaka hihazo an’Anosizato izy. Nahita ity fiara lehibe ity izy ary saika hi­tsoraka tao ambaniny. Nahita izany ilay mpamilin’ny fiara ka nanajanona ny fiarany sy niala ity nikasa hamono tena ity. Somary nisy fitohanana madinika ny lalana nandritra izany. Niroso ilay fiara aveo ary nitsoraka tampoka tao ambany fiara ity farany. Vokany, voahitsaky ny kodiarana aoriana ny lohany ary maty teo no ho eo izy.
Hitan’ny olona nitomany
Hitan’ny olona teny amin’ny manodidina nitomany sy nisefosefo teny an-dalana io lehilahy niharam-boina io, ka izao niafara tamin’ny famoizam-po izao, raha ny fanazavana voaray tamin’ireo olona nanatri-maso. Tsy fantatra mazava na olana ara-panambadiana na antony hafa ny nahatonga azy nitomany ka niafara tamin’izao famoizam-po izao.
Tonga nijery ny zava-misy teny an-toerana ny avy amin’ny polisim-pirenena. Tonga naka ny razana sy nitondra azy eny amin’ny tranom-paty HJRA Ampefiloha ny BMH. Mbola tsy fantatra mazava ny mombamomba ity lehilahy namono tena ity. Notanana anaovana fanadihadiana noho ny vono olona tsy niniana natao, eny anivon’ny mpitandro filaminana kosa ilay mpamilin’ny fiara (27 taona), taorian’ny tranga.
Ankoatra izay, lehilahy iray, mpianatra nikasa namono tena tany amin’ny village touristique Mahajanga, omaly tamin’ny 5 ora maraina. Ni­tsoraka tao anaty rano izy ary nilentika avy hatrany. Lehilahy iray sedra nihazakazaka vao maraina teny amoron-dranomasina no nahita ka nanavotra azy tao anaty rano.

Mino

Partager sur: