Renim-pianakaviana torana tsy nahatsiaro tena niharan’ny vono nataon’ny zanany lahy tao amin’ny fokontany Antanetibe, kaominina Anjeva Gara, ny marain’ny alatsinainy 28 avrily teo. Nifamaly tamin’ny vadiny ilay lehilahy zanak’io ramatoa io, talohan’ny tranga. Nanaovan-dralehilahy teny mahery ny ramatoa vadiny. Tsy nahazaka izany anefa ilay renin’io lehilahy io amin’ny maha fon-dreny azy ka niditra ho mpanelanelana handravina ny tsy fitovian-kevitr’ireo zanany. Nifoteran’ny hatezeran-janany lahy tampoka izy. Norahonan’io lehilahy io ho faty ny reniny nandritra ny ady. Nalatsany avy eny amin’ny rihana voalohany misy ny trano fonenany ilay reniny. Nidaraboka tamin’ny tany ka tsy nahatsiaro tena avy hatrany. Nikoropaka ny fokonolona nanatri-maso ny zava-nisy ka niantso ny mpitandro filaminana. Nosamborin’ny zandary io lehilahy nahavanon-doza io. Nifamonjena nentina teny anivon’ny toeram-pitsaboana ny reniny. Tsy nisy natahorana ny ainy saingy mbola tsy afa-nitsangana izy ho an’ny omaly, araky ny tatitra ny zandary. Natao famotorana io lehilahy saika hamono hahafaty ny reniny io. Marihina, fady eo amin’ny fiarahamonina malagasy ny mikasi-tanana ray aman-dreny na amin’ny fomba ahoana na ahoana.
Tsiferana R.