Naneho ny heviny, manoloana ny toe-draharaham-pirenena tato ho ato ny filoha nasionalin’ny MMM, Andrianainarivelo Hajo. Notsiahiviny tamin’izany fa tena nasehon’ny filoha Kaomorianina, Azali Assoumani, ny fahambonian’ny fiandrianam-pirenen’izy ireo. Mazava koa ny fanapahan-kevitry ny Firenena mikambana (ONU) fa miverina amin’ny Malagasy ireo Nosy manodidina “Iles Eparses”, araka ny fanamafisany. “Resaka hafa indray ny fifanarahana eo amin’ny roa tonta amin’ny fampiasana azy. Mila fahaizana sy fahasahiana ny fifandraisana iraisam-pirenena saingy mbola lavitra izany isika”, hoy izy.
Niverenany ny mahakasika ny fahatongavan’ireo delegasionina vahiny, tonga teto amintsika tamin’ny fihaonana an-tampon’ny Vaomieran’ny ranomasimbe Indianina (COI), farany teo. Anisan’izany ny momba ny fitsidihana nataon’ny filoha Frantsay, Emmanuel Macron ka nanitrikitrihany fa tsy nisy mangaraharaha tanteraka ny amin’izany. “Tsy nisy ny fihaonana niaraka tamin’ny mpanao gazety Malagasy ka tsy azon’izy ireo natao ny nametraka ireo fanontaniana tena manitikitika ny ankamaroan’ny vahoaka malagasy”, hoy ihany izy. Notsindriny fa ireo mpanao gazety vahiny ihany no afaka nametraka fanontaniana tamin’ny filoha frantsay. “Tsy mazava ary inona no tena antony ? Mila valiny isika”, hoy izy.
Etsy andaniny, natsidiny fa tena sompitry ny Ranomasimbe Indiana i Madagasikara raha matotra tsara ny politikan’ny fambolena. Nohitsiny anefa fa tsy izany aloha izao ny zava-misy. “Mbola manafatra vary etsy sy eroa isika amin’izao fotoana izao”, hoy ny filoha nasionalin’ny MMM.
Synèse R.