« World Cola PFL » : Mbola baraingo ny tohin’ny fifaninanana

Nahemotra indray ny tohin’ny fifaninanam-pirenena taranja baolina kitra, “World Cola PFL”. Hatreto, tsy mbola misy ny daty ofisialy hitohizan’ity fifanintsanana ity, amin’izao fotoana izao. Araka ny loharanom-baovao voaray, nisy ny fivoriana nataon’ireo mpikambana amin’ny CFEM sy ny Federasionina malagasin’ny Baolina kitra (FMF), omaly, tetsy Isoraka. Hiresaka sy handinika ny mahakasika izany no tena anton’ity fihaonana ity.
Raha ny siosion-dresaka mandeha, tokony nanomboka ny faran’ny herinandro ho avy io, ny dingan’ny ampahefan-dalana. Raha ny filazan’ilay loharanom-baovao iray, somary hita fa tery tokoa ny fotoana hanomanan’ireo klioba mifaninanana amin’ny PFL, ny “Yas Coupe de Madagascar”. Ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, hanomboka ny 11 mey ho avy izao, ary raha ny tazana, lasa any amin’ny faritra avokoa ireo ekipa goavana no hilalao.
Tsara ny mampatsiahy fa ny fifaninanana “World Cola PFL”, tokony hifarana ny volana jona ho avy io, mba hahafantarana ny anaran’ilay klioba hisolo tenan’i Madagasikara amin’ny “Ligues des Champions Caf”. Ankoatra izay, hanomanana ireo mpilalao hanatevina ny Barea, izay hiatrika ny Chan, izay hanomboka ny volana aogositra ho avy io.

 

F.R

Partager sur: