Fonjamby – Tompondakan’i Afrika : Namiratra ireo taninketsa niatrika ny fifaninanana

Tafaverina eto an-tanindrazana, ny alatsinainy hariva teo, ny delegasionina malagasy avy niatrika ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika seniors tany Maorisy, taranja fibatana fonjamby. Toy ny efa nahafantarana azy hatramin’izay, namiratra indray ireo atleta malagasy tamin’izany, izay nandrombaka medaly 9 be izao. Mbola voatazona ny toerana misy antsika, hoy ny mpanazatra nasionaly, An­driatsi­tohaina Eric. Ireo taninketsa no nentina niatrika ity fifaninanana ity kanefa dia nandrombaka medaly betsaka. Manomboka miditra amin’izay fikarakarana ny taniketsa izay amin’izao, ny Fede­rasionina malagasin’ny fibatana fonjamby.
Raha hiverenana izay vokatra izay, teo amin’ny latsaky ny 55 kilao, nandrombaka medaly volamena 2 sy volafotsy 1, Rakotomandimby Avotriniaina. Nisy tsy nety kely teo amin’ny “arraché”, hoy izy, ka izay no tsy nahazoana volamena 3. Manaraka izay, nahazo medaly volafotsy 3, Andriamitantsoa Fabia, teo amin’ny latsaky 45 kilao, vehivavy. Nahazo medaly volafotsy 3 toraka izay ihany koa, Andriamahefa Jules Antonio, teo amin’ny latsaky ny 61 kilao.
“Manana ny maha izy azy ny tanorantsika”, hoy ny filohan’ny federasionina, Randria­manarivo Harinelina. Ny taona 2027 sy 2028 indray no tanjona. Nisaotra ny fitondram-panjakana, Kaomity Olympika izy tamin’ny nahafahana niatrika ireo fifaninanana natrehan’ny Fibatana fonjamby. Nangataka ihany koa ity filohan’ny federasionina ity, ny hananganana amin’izay ilay ivontoerana nasionaly ho an’ny fibatana fonjamby satria efa azo ilay tany hanorenana izany.

Mi.Raz

Partager sur: