SOMBIM-BAOVAO

Tafiditra anatin’ny « Top 30 » maneran-tany, ny Malagasy mpikatroka ny taranja Judo, Rasoanaivo Razafy Aina Laura, sokajy latsaky ny 70 kg. Niakatra ity filaharana ity satria tany amin’ny faha-40 izy teo aloha. Noho ny vokatra tsara azony farany teo, nandritra ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, tany Côte d’Ivoire no nahazoany izao toerana tsara izao.
Hotanterahina any Toamasina, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja Beach Volley, sokajy lahy sy vavy. Ny 30 sy 31 mey ary hitohy ny 1 jona izao no hanatanterahina izany fifaninanana izany. Eto Madagasikara ihany koa no hanaovana ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, amin’ity taranja ity.
Malaza sy mahoraka ao Espagne, fa handeha hanazatra ny ekipam-pirenena brezilianina i Carlo Ancelotti, mpanazatra italianina nitondra ny Real Madrid. Maresaka any an-toerana ihany koa fa hosoloin’i Xabi Alonso, espaniola, ny toeran’ity teknisianina italianina ity. Tsiahivina fa ny 25 mey ho avy io, i Ancelotti, handao ny Real Madrid.
Hotontosaina anio, any Espagne, ny lalao manasa-dalana mandroson’ny Ligue des Champions 2025 (LDC), izay hihaonan’ny FC Barcelone, klioba mpampiatrano sady espaniola, sy ny Inter de Milan, ekipa italianina. Araka ny fikarohana natao, hatao ny 6 mey ho avy io ny lalao miverina.

Partager sur: