Tsy nahazaka onjam-piainana: Namoy ny ainy tampoka i Rado

Namoy ny ainy tampoka ny alatsinainy hariva teo, etsy amin’ny kianja fanaovam-baolina Analankinina Hopitalibe i Rado, raim-pianakaviana 43 taona. Manambady ary namela kamboty roa mianadahy izy. Raha ny angom-baovao, mpi­asa teo anivona orinasa tsy miankina iray eto an-drenivohitr’ i Toamasina izy teo aloha, saingy efa ho dimy taona izay naaton’ ity orinasa tsy mian­kina ity tamin’ny asany izy. Niezaka nitady vola ihany tamin’ny alalan’ny fanjairana kiraro anefa izy, raha ny angom-baovao hatrany. Manofa trano izy efatra mianaka. Tsy takatry ny fidiram-bola anefa ny fitambaran’ny hofan-trano sy sakafo hohanina isan’ andro. Voatery nalana tany an-tsekoly ireo zanany. Tsy vitan’izay fa matetika roahin’ny tompon-trano amin’ny trano izy ireo noho ny fahataran’ny hofan-trano. Raha ny marina, efa tsy mahaloa intsony ny hofan-trano ka lasa to­kantrano tsy manana fialofana. Vokany tsy nahazaka ny onjam-pianana intsony izy mivady, ka lasa nivarilavo tamin’ny fisotroana, mitety trano fivarotana zava-pisotro mahamamo, mahita namana dia raikitra. Raha hisotro tokoa dia manome ny namana fa raha vola hividianana sakafo dia tsy manome mihitsy izy ireo.
Hitan’ny fokonolona  fa so­mary nalemilemy izy ny atoandron’ny alatsinainy sady mamo, tsy nisy sakafo ihany koa. Ny takarivan’ izay ihany izy efa mitsirara teo ambony ahi-maitso izy ka ireo olona nandalo no nampisotro rano azy, kinanjo tsy nahasakana ny ainy izany. Noraisin’ny rehetra ho an-tsirabina nata­on’ny fianakaviany ihany izao rehetra izao, izay tsy nisy fi­tsimbinana azy efatra mianaka. Nohamafisin’ny mpitsabo misahana ny  BMH eo anivon’ny kaominina ambonivohitr’
i Toamasina fa maty vokatry zava-pisotro misy alikaola, tsy nisakafo i Rado.

Sajo

Partager sur: