Ny resaka tsena no mibahana ao an-tsaina raha vao miresaka ny eny Analakely. Nilaza Rakotobeherinirina Mamy, mpivarotra silipon-dehilahy sy bakiraro eny an-toerana, omaly, fa tsy mora ny asa eny, saingy rehefa hatao am-pitiavana izany, mety avokoa izay hatao. “Tsy misy ny fitadiavam-bola mora, fa atao am-pitiavana aloha ny asa, mandeha ho azy ny rehetra, toy ny tombony sy ny mahasoa rehetra aterak’izany”, hoy ity tovolahy iray ity.
Marihina fa tsy i Mamy irery no mivarotra eny Analakely, saingy nambarany ihany fa izay mahay mandresy lahatra sy mandray olona ihany no mahazo vahana. Araka ny filazany, “ny vava no hampiadiana ety fa tsy ny entana intsony”.
Araka ny fanazavana nataon’ity tovolahy iray ity, tsara sy mety ny asa tahaka izao. Antony : afaka mirava sy miditra amin’ny lera izay tianao ianao, tsy misy ny tsindry toy ny any amin’ireo orinasa tsy miankina eto an-tanindrazana. “Azo atao ihany koa ny manao zavatra hafa, fa tsy voatery mijanona eo foana. Matetika rehefa mahazo tombony afaka hividianana zavatra ho an’ny vady aman-janako aho, dia mody avy hatrany”.
Tsy misy olana
Na dia betsaka aza ireo mivarotra zavatra toy ny amidin’i Mamy, tsy mametraka olana amin’izany resaka izany ny tenany. Nampatsiahiviny ihany fa raha mbola eto Afrika, tsy maintsy miaina ny fiainana tahaka izao. “Tsy dia asiako olana loatra ilay hoe mivarotra zavatra somary mitovitovy avokoa ilay ety Analakely, aleo aza mivarotra toy izay mangalatra. Tsy misy hifanomezan-tsiny izany, satria efa hiarahana mahalala ny fiainanana”.
Ny tsara ho fantatra
Raha ny fanampim-panazavana azo avy amin’i Mamy, efa folo taona teo izay ny tenany no nivarotra teny Analakely, ary 33 taona ny lehilahy ankehitriny. Efa manambady sy manan-janaka izy. Efa asa nolovainy tamin’ireo ray aman-dreniny ity asa fivarotana eny an-toerana ity. Maniry ny ho lasa mpiasam-panjakana moa izy, ary manana nofinofy ny hampivoatra tsara ny asany ho any amin’ny ambonimbony kokoa.
Ankoatra izay, tsara ny mampahafantatra fa mpilalao rugby, ao amin’ny klioban’ny Mang’Art Manjakaray i
Mamy.
“Manentana an’ireo tanora ankehitriny mba hitady asa sy tsy hametraka safidy fa hiaritra amin’izay asa misy sy azo atao. Ankoatra izay, mampirisika antsika ihany koa ny tenako, mba hanao fanatanjahantena satria mahatsara ny fahasalamana izany. Miantso ny fanjakana ihany koa mba hijery anay tanora, indrindra amin’ny tontolon’ny tsy fananana asa satria io no hita no olana hatrizay teto amin’ny firenena”, araka ny hafatr’i Mamy.
Nanatontosa : Fitia Randria