Nisy naratra tamin’ireo tompon-trano lasibatry ny asan-dahalo tao Soavinimerina, kaominina Mahitsy, ny alin’ny alarobia 30 avrily teo. Andian’olona am-polony nirodorodo nanesy ny tokantrano nifanakaiky tao amin’io tanàna io sy ny manodidina. Nihevitra ireo mpandroba fa misy vola tao amin’ireo trano lasibatra ireo. “Dahalo mety ho manodidina ny 20 eo ho eo nanafika ny tanànan’i Soavinimerina”, hoy ny solontenan’ny lasibatra. Nitaky vola ary naka ny finday tao amin’ireo tokantrano norobainy ireo olon-dratsy ireo. Raiki-tahotra ireo tompon’ny trano niharan’ny fanafihana. Tsy vitan’ny nangalatra, nidaroka ka niteraka faharatrana ho an’ireo vaky trano koa, ireo dahalo. Nifindra tany amin’ny fokontany hafa toa an’Ambaniavaratra hatrany Ambohimahavelona ireo dahalo. Nanoloana ny zava-nitranga, nifanome tanana nanao hazolava ny mponina manodidina. Velon-taraina ireo niharan’ny asa ratsy. Nahazoan’ny dahalo vola sy telefaonina avokoa ny ankamaroan’izy ireo. Manao antso avo ny mpitandro filaminana hanamafy ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana ao an-toerana. Nigadona tao an-toerana ireto farany nanao fanadihadiana ny zava-nisy saingy efa lasa nandositra ireo mpandroba.
Tsiferana R.