Nanapa-kevitra ny hanampy ny mpiara-miasa aminy, ny kaomity misahana ny baolina kitra aty amin’ny faritra Atsimon’i Afrika, Cosafa. Nantsoin’izy ireo hanatevina ny ekipany, ny filohan’ny Federasionina Malagasin’ny Baolina kitra (FMF), Randriamanampisoa Alfred.
Manana solontena malagasy, ny kaomitim-panatanteraka (CE) eo anivon’ny Cosafa, amin’izao fotoana izao. Araka ny vaovao voaray, omaly, ny 23 avrily lasa teo no naharay taratasy, milaza amin’ny fomba ofisialy fa voatendry ho anisan’ireo anaty biraon’ny Cosafa, ny filohan’ny FMF, Randriamanampisoa Alfred. Tsiahivina fa ny filohan’ity kaomisionina ity, Saïd Athouman, mihitsy no nanendry azy, araka ny lalàna ao anatin’ny Cosafa, andalana 15. 4, izay milaza fa azon’ny filoha hatao ny manampy ny mpiara-miasa aminy ao anatin’ny CE.
Ankoatra izay, nahazo fanasana hanatrika ny fivoriambe ara-potoana kasaina hatao amin’ny andro tsy voafaritra ity lehiben’ny baolina kitra eto Madagasikara ity.
Tsara ny mampatsiahy fa efa nirotsaka ho kandidan’ny Cosafa, nandritra ny fifidianana ny biraon’ny Kaonfederasiona Afrikanina (Caf), ny filoha Randriamanampisoa Alfred, ny volana marsa lasa teo. Ny indro kely nefa, niala an-daharana tany amin’ny ora farany izy, noho ny tombontsoa maro nampanantenain’ny Caf sy ny Fifa ho an’ny baolina kitra malagasy.
Aingavao…
Manantena zava-baovao maro ho an’ny tontolon’ny baolina kitra aty amin’ny faritra atsimon’i Afrika, indrindra ho an’ny Malagasy, ny mpankafy ny taranja, amin’izao fanendrena an’ny filohan’ny FMF, ho an’isan’ireo mpikambana birao miasa anivon’ny Cosafa izao. Tsiahivina fa ity tomponandraikitra voalohan’ ny FMF ity, angady sy vy nahitana ny fifanintsanana ho an’ny tanora aty amin’ny ranomasimbe Indianina, «Tournoi de L’Ocean Indien». Mbola fanamby lehibe miandry azy hatrany, ny mety handraisan’i Madagasikara anjara amin’ny fiadiana ny amboara maneran-tany, Mondial 2026, izay hatao any Meksika, Canada, Etazonia.
Fitia Randria