Tontosa ny fiandohan’ity herinandro ity, tany Antsirabe, ny fifidianana izay hitantana ny Federasionina malagasin’ny dihy ara-panatanjahantena, ho an’ny efa-taona manaraka. Lany tamin’izany, Randrianarisoa Rijamanitra. Ligy 7 no nandray anjara tamin’ity fifidianana ity, nahitana ny ligin’i Diana, Boeny, Analamanga, Atsinanana, Vakinankaratra, Matsiatra Ambony, ary Atsimo Andrefana. Kandida 3 kosa no nilatsaka hofidiana ka lany ny filoha efa nitantana teo aloha, ka ny ligy 6 tamin’ ireo 7 ireo no nifidy ny filoha Randrianarisoa Rijamanitra. Ny fanomanana ireo taniketsa no tena vinan’ny Federasionina malagasin’ny dihy ara-panatanjahantena amin’ity taona 2025 ity, araka ny efa nambaran’ny filohan’ny federasionina, tamin’ny fiandohan’ny taona. Hanomana azy ireo mba hanana ny haavo teknika hanatsarana ny fifaninanana nasionaly ary indrindra ho fiatrehana ny fifaninanana iraisam-pirenena, eo anivon’ny ranomasimbe Indianina sy manerana izao tontolo izao.
Mi.Raz