Maty sempotry ny entona mahafaty tao anaty lakandrano ambanin’ny tany, tetsy 67Ha, afakomaly tamin’ny 2 ora maraina, ny mpiasa efatra mirahalahy eo anivon’ny Apipa. Namoy ny ainy tao anaty lavaka izy ireo rehefa tsy nahazaka ilay entona.
Nanadio lakandrano tetsy 67Ha ny dimy mirahalahy eo anivon’ny Apipa, ny asabotsy teo. Nahitana mpandroaka fako telo, sefo mpitarika iray ary teknisianina iray hafa. Tsy nahazaka ny entona tao anaty lavaka ny efatra nidina ka maty avokoa.
“Nanokatra ny saron’ny lakandrano ny iray tamin’ireo mpiasa vao tonga teny an-toerana. Nidina tao anaty lavaka izy niaraka tamin’ny fitaovana saingy tsy niverina intsony”, hoy ireo nanatri-maso. Nantsoina avy aty ivelany fa tsy namaly. Nahita izany ireo namany ka nisesy nidina tao anaty lavaka nefa tsy nisy niverina ihany koa. Farany, nidina tao ilay sefo, rehefa tsy nisy niverina ireo telo lahy, nefa tsy niverina koa. Saika mbola hidina tao anaty lavaka ny iray farany fa tsy navelan’ny olona intsony. Niantso vonjy tamin’ny manodidina avy eo io hamonjena ireo namany tao anaty lavaka. Nosintomina tamin’ny tady ireo niharam-boina, izay naharitra ora iray teo ny fampiakarana azy ireo. Efa vatana tsy nisy aina intsony no hita, nitranga lela sy nivoaka farora-bava avokoa. Manodidina ny 1 metatra sy sasany hatramin’ny 2 metatra eo ny halalin’ny lavaka nidiran’ireto niharam-boina ireto.
Ilana olona ny famindrana ny fitaovana fitrohana rano
“Trohina amin’ny moto-pompe ny rano anaty lakandrano mba hahafahany mikoriana tsara. Tsy maintsy misy olona iray midina any anaty lavaka any mamindra io fitaovana io ho amin’ny lavaka iray hafa”, hoy ny tomponandraikitry ny Serasera eo anivon’ny Apipa, Rakotoalijaona Tolorantsoa Hajarizaka. Tamin’ny fotoana nanaovana izany no nitrangan’ny loza. “Nahenoana fofona karazana gaz métane tao anaty lavaka. Tsy nahazaka izany ireo mpiasa niditra tao ka namoy ny ainy avy hatrany”, hoy ihany izy. Nomarihiny fa tsy mbola nisy ambana tahaka izao hatramin’izay niasany. Hatsaraina ny fomba fiasa sy ny fitaovana fiarovana ampiasain’ireo mpandroaka fako ireo manomboka izao, mba hisorohana ny loza. Voamarin’ny Institut national des sciences et technologies nucléaires (INSTN) ny fisiana entona manempotra mahafaty tao anatin’io lavaka io. Nisy avy hatrany ny atrikasa sy fivoriana niarahan’ireo rantsa-mangaika, ahitana ny BNGRC, ny CUA, INSTN ary ny minisiteran’ny Fanajariana ny tany izay mpiahy ny Apipa, taorian’io tranga io.
Mino




