Anosizato : Maty voatifitry ny polisy i Dinabe

Lavon’ny polisim-pirenena ny jiolahy raindahiny teny Anosizato Atsinanana, omaly maraina. Manoloana ny asa fanendahana miharo fandratrana olona eny amin’ny manodidina ataon’ireo jiolahy, nanao fisafoana tanaty elanelan-trano ny ekipan’ny Compagnie urbaine d’intervention (CUI) sy ny Unité d’intervention rapide (UIR). Nifanehatra tamin’ireo mpandroba avy nanao asa ratsy izy ireo. sarona teo am-pizarana entana ireo olon-dratsy ka anisan’izany i Dinabe. Niko­ro­paka samy nanavotra ny ainy ireo namany nandritra ny fotoan’ny fisamborana. Nitondra sabatra ary nikasa hamaly ny polisy nisambotra azy anefa i Dinabe. Vokany, voan’ny balan’ny polisy izy ka namoy ny ainy. Na­hatrarana ambin’ny entana halatra maromaro teny aminy. Nifanen­je­hana ny naman’io jiolahy voatifitra io saingy tafaporitsaka tany anaty elanelan-trano. Mitohy ny fi­karohana ataon’ny polisy. Naterina eny anivon’ny tranom-paty, an’ny hopitaly, ilay maty.

Tsiferana R.

Partager sur: